Faritra Alaotra Mangoro: famoahana tanora miisa 807

Faritra Alaotra Mangoro: famoahana tanora miisa 807

Faritra Alaotra Mangoro: famoahana tanora miisa 807

➡Ny talata faha 20 desambra 2022 no tontosa tao amin’ny Hôtel Bezanozana Moramanga ny fanolorana ny mari-panamarinana nahavitana fiofanana ho an’ny tanora miisa 807 ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro. Nanaraka ny fanofanana arak’asa fototra na “Apprentissage aux Métiers de Bases” izy ireo ary mitsinjara amina sampam-panofanana maro lafy:

  • 554 niofana ho Pédaliers tricycle
  • 41 ConducteursBajaj
  • 21 Conducteur Bus AMBATOVY (recyclage)
  • 70 Broderies
  • 37 soudeurs
  • 30 Interprète Anglophone
  • 19 Maçon Gros œuvres
  • 18 nanaraka ny fiofanana Informatique Bureautique
  • 17 niofana ho Interprète Francophone

💯Izao fiofanana izao dia mamaly tanteraka ny ny velirano faha 4 sy faha 6 ny Filoha Andry Rajoelina, ary indrindra koa entina hampivelatra ny mpiofana eo amin’ny sehatry ny asa ary mamaly avy hatrany ny filan’ny orinasa izay misy eto an-toerana.

✅Hetsika teo ambany fitarihan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ka tonga nanome voninahitra izany ny tenany. Teo ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Moramanga, ny Ben’ny Tananan’ny Moramanga, ny Lehiben’ny Distrika, ny solontenan’ny orinasa Ambatovy, ary ny association Mahatsara.

🎯Nitsodrano azy 807 mianadahy Ramatoa Ministra ary nanamafy tamin’ny lahateniny: ” Mahaiza mikarokaroka fa aza manaiky ho toloram-potsiny fa antoky ny fivoarana sy fizakantena izany.” Hafatra mafonja ampy hanome risika sy fahavononana ho an’ireo tanora ireo.

Nandritra io lanonana io no nanoloran-dRamatoa Ministra an’i Solombavambahoaka voafidy tao Moramanga ireo fitaovam-pianarana ho an’ny kilasy mendrika indrindra ao amin’ny LTP Moramanga, ny taom-pianarana 2022.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ décembre 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle