Ny faritra Menabe no faritra voalohany nosafidian’ny Fiadidian’ny Repoblika amin’ny hanombohana ny tetikasa MIVOATSE , izay mifantoka amin’ny fampananan’asa mendrika ny Tanora ( Velirano 6 ), amin’ny alalan’ny fanofanana asa fototra mba hananan’ny faritra ihany koa fahaleovantena ara-tsakafo.
Hisy noho izany, mandritra ny folo (10) andro, ny fanofanana arak’asa, izay sahanin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny fitaleavam-paritra ETFP Menabe. arabic casino
Fiofanana mahakasika ny :
- Briques en Terre Compressées (BTC)
- Installation de plaque solaire
- Ouvrage métallique
- Gestion simplifiée
- Pâtisserie
Izany fanofanana izany dia hisandrahaka amin’ny distrika sy kaominina maro : Morondava, Bélo sur Tsiribihina, Mahabo ary Miandrivazo. Maro ireo tanora no liam-panofanana sy fivoarana eto amin’ny faritry Menabe, porofon’izany ny fahatongavan’izy ireo nisoratra anarana avy hatrany. العاب في الهاتف
» Ny olo-mahay raha, tsy very mandeha « . مراهنات كرة قدم
Morondava, 24 mai 2022
©️SCOM METFP/Mai 2022