Ho fanatsarana ny tontolon’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa eto Madagasikara dia nisy ny latabatra boribory izay notanterahina teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP) ny 25 hatramin’ny 27 aprily lasa teo.
Tonga nanome voninahitra ny lanona-pamaranana ny dinik’asa ny 27 aprily 2023 Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy Mopera BIZIMANA Innocent, Supérieur Provincial Don Bosco eto Madagasikara sy Maorisy.
Mpisehatra maro no niara-nidinika sy nifanakalo hevitra nandritra izay hateloana izay. Hita ary tsapa fa ny sehatry ny fanofanana ara-kalitao no antoky ny fampananan’asa ny tanora.
Amin’ny maha fikambanana mpamolavola olom-banona ny Don Bosco izay manana sehatra mivelatra sy traikefa momba ny fanabeazana sy ny fampianarana dia niara-nisalahy tamin’ny METFP izy ireo tamin’ny fanatontosana ny dinik’asa entina manatsara ny fampianarana sy ny fanofanana.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ aprily 2023
Une collaboration efficace entre Don Bosco et le METFP pour améliorer le Secteur de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle
Dans une optique de rehausser la qualité de l’enseignement technique et de la formation professionnelle à Madagascar, une table ronde s’est tenue au sein du Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP) du 25 au 27 avril.
Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle et le Père BIZIMANA Innocent, Supérieur Provincial de Don Bosco à Madagascar et Maurice sont venus honorer la cérémonie de clôture de l’atelier le 27 avril 2023.
De nombreux acteurs ont échangé leurs points de vue afin d’avoir une même vision sur les stratégies à adopter en vue d’améliorer le secteur ETFP. Les parties prenantes engageées sont toutes conscientes qu’une formation de qualité est la clé de l’employabilité des jeunes.
Don Bosco, étant une organisation spécialisée dans l’éducation des jeunes a prêté main forte au METFP pour organiser cette table ronde.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ avril 2023