Fifanarahana eo amin’ny METFP sy ny OIT : Ivontoeram-panofanana telo nohavaozina

Fifanarahana eo amin’ny METFP sy ny OIT : Ivontoeram-panofanana telo nohavaozina

Fifanarahana eo amin’ny METFP sy ny OIT : Ivontoeram-panofanana telo nohavaozina

Tontosa ny 27 Aprily 2023 ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT), ho amin’ny fanarenana ny lysea Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ary ny fanamboarana ny ivon-toeram-panofanana arak’asa ho an’ny vehivavy (CFPF) any amin’ny faritra Vatovavy sy Matsiatra Ambony.
Tamin’ny alalan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, sy Andriamatoa Coffi AGOSSOU, talen’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa eto Madagascar, Maurice, Comores ary Seychelles.

Ny tanjon’ity fifanarahana ity dia ny:

  • Fanavaozana trano misy efitra efatra (04) sy toeram-pivoahana ho an’ny zazavavy sy zazalahy ary ny fametrahana fitaovana elektrônika sy photovoltaique ao amin’ny Foibem-piofanana arak’asa ho an’ny vehivavy ao Mananjary (CFPF Mananjary)
  • Fananganana trano misy efitra telo (03), ahitana ny biraon’ny tale, ny fanangonan-drano, trano fidiovana ary famatsiana fanaka ho an’ny sekoly ho an’ny Foibe fanofanana arak’asa ao Fianarantsoa (CFP Fianarantsoa);
  • Fanarenana trano misy efitrano fianarana telo (03) ao amin’ny Lycée Technique Professionnel de Mananjary (LTP Mananjary).

Raha tsiahivina dia anisan’ireo toeram-pampianarana teknika sy fanofanana arak’asa simba vokatry ny rivodoza ny taona 2022-2023 ireo voalaza ireo.

Nohamafisin’ny Minisitra tamin’ny lahateniny ny maha zava-dehibe ny asa mendrika ho an’ny rehetra, ary koa ny fampiharana ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny alalan’ny Velirano faha-4 sy faha-6, mba hampiroborobo ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ka hahazoan’ny rehetra asa mendrika ho fampandrosoana ny firenena.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ avril 2023


Convention entre METFP et l’OIT : Trois établissements réhabilités

Ce 27 avril 2023, une convention de partenariat a été signée entre le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP) et l’Organisation Internationale du Travail (OIT), pour la réhabilitation du Lycée Technique et Professionnel (LTP) et la reconstruction d’un nouveau Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes (CFPF) dans les régions de Vatovavy et Matsiatra Ambony..

Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, et le Dr Coffi AGOSSOU, Directeur Pays de l’OIT, ont procédé à la signature de cette convention, renforçant ainsi l’étroite collaboration entre les deux entités.

La présente convention a pour objectif de :

  • Réhabiliter un bâtiment à quatre (04) salles avec local technique et toilettes pour filles et pour garçon et mettre en place une installation des équipements électriques et photovoltaïque au Centre de Formation Professionnelle des Femmes à Mananjary (CFPF Mananjary) ;
  • Construire un Bâtiment à trois (03) salles avec système de captage d’eau pluviale et réservoir, un bureau du directeur, une latrine et doter des mobiliers scolaires le Centre de Formation Professionnelle à Fianarantsoa (CFP Fianarantsoa) ;
  • Réhabiliter un bâtiment de trois (03) salles de classe au Lycée Technique Professionnel de Mananjary(LTP Mananjary).

Cependant, plusieurs établissements de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle ont été endommagés à la suite de différents cyclones en 2022-2023.

Dans son discours, Madame la Ministre a souligné l’importance d’un travail décent pour tous, ainsi que l’engagement du Président de la République à travers les Velirano 4 et 6, visant à promouvoir l’excellence et la valorisation de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle pour atteindre une adéquation Formation-Emploi dans tous les secteurs émergents pour le développement du pays.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ avril 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle