Amin’ny maha reny mpiahy ny andiany faha 18 mitondra ny anarana hoe ERA (Ezaka sy Risimpo no Antoky ny fahombiazana) sy amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany misahana ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella dia tonga nitsidika ny lisea Technique Général Industriel (TGI) izy ny Alatsinainy faha 12 jona 2023.
Nanotrona azy tamin’izany Andriamatoa RAZAKANDRAINY Dominique, Solombavambahoaka voafidy tao Sakaraha no sady ray aman-drenin’ny mpianatra, Mopera JACQUES Nary, Lehiben’ny fokontany vohijoky ary ny Filohan’ny Filan-kevitry Ray aman-drenin’ny mpianatra (Conseil des parents).
Natomboka tamin’ny fihaonana tamin’ny Mopera Rektora ny Sekoly Masina Misely ny fitsidihana, tao aorian’izay dia niroso tamin’ny fananganan-tsaina. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny efitrano fianarana sy fanaovana ny fampiharana Ramatoa Ministra sy ireo delegasiona.
Nandritra io fotoana io ihany koa no nampisehoan’ireo mpianatra ao amin’ny TGI ny asa fikarohana sy tetikasa nataon’izy ireo.
Nambaran-dRamatoa Ministra tamin’ny lahateniny fa am-pifaliana no andraisany ireo andiany ERA ho eo ambany fiahiany ary vonona hifanome tanana amin’ny sekoly TGI ny tenany amin’ny fanohanana azy ireo. Ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny andiany faha 18 izay miisa 35 mianadahy moa dia ho tontosaina ny 08 jolay ho avy izao.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ jona 2023
Visite du Lycée Technique TGI – Saint Michel Amparibe
En tant que marraine de la 18ème promotion ERA (Ezaka sy Risimpo no Antoky ny fahombiazana), Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle est venue visiter le lycée Technique Général industriel (TGI ) le lundi 12 juin 2023.
Madame le Ministre a été accompagnée du Député de Madagascar élu à Sakaraha, Monsieur RAZAKANDRAINY Dominique néanmoins parents d’élèves, de Père JACQUES Nary, Responsable du quartier Vohijoky et du Président du Conseil des parents d’élèves.
La visite a commencé par une rencontre avec le Père Recteur de Saint Michel. Après cela, la délégation a assisté à un levé de drapeau avec tous les élèves de Vohijoky.
Une visite des locaux, salle de classe et salle de pratique s’en est suivi. Au cours de cette visite, les élèves ont présenté leur projet et travaux pratiques à la délégation.
Au terme de cette descente, Madame le Ministre a affirmé qu’elle est heureuse d’être la marraine de cette 18ème promotion et qu’elle est prête à soutenir ces étudiants jusqu’à la fin. Notons que la sortie officielle de la promotion se tiendra le 08 juillet prochain.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ juin 2023