Nitsidika ny lysea teknika Soavina, ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, ny 02 febroary 2023. Nanotrona azy nandritra io fotoana io ny Solombavambahoaka Andry Ratsivahiny sy ny Ben’ny Tananan’i Soavina.
Tsy vitan’ny fitsidihana fotsiny no natao fa nanolotra fitaovam-pianarana (kahie, fitsipika, penina 4 loko,gaoma, pensilihazo,kitapo) ho an’ireo kilasy mendrika tao amin’ny LTP Soavina ihany koa Ramatoa Ministra. Tanjon’izao fanomezana izao ny hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampiofanana.
Nandritry ny fandraisam-pitenanana nataon-dRamatoa Ministra no nanentanany ireo mpiofana mba hilofo hatrany amin’ny fianarana, ary nanamafisany ny fiaraha-miasa amin’ireo olom-boafidy eny ifotony.
Miisa 500 ny mpiofana eto amin’ny LTP Soavina ary mitombo isa hatrany izany ka mitaky fanitarana ny fotodrafitr’asa, izay efa manomboka amin’izao fotoana izao ka sady hanaovan’ireo mpiofana ny CHANTIER ECOLE ary ireo akora rehetra ao amin’ny LTP ihany no hamitana izany. Mizara telo (3) taranjam-pampianarana eo anivon’ny LTP ka ahitana ny fitantanana, ny fambolena sy fiompiana ary ny tao-trano sy asa vaventy.
Marihana fa iray amin’ireo nosafidin’ny Filohan’ny Repoblika hananganana ny ivotoeram-panofanana mendrika CFPE ny eto amin’ny distrikan’Atsimondrano.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ febroary 2023