Nosokafana amin’ny fomba ofisialy ny talata faha 02 may 2023 ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany eo anivon’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza sy teo amin’ny Antenimierandoholona Anosy.
Nitarika izany tetsy Tsimbazaza ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Christine RAZANAMAHASOA. Ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA kosa no nitarika ny fanokafana ny fivoriana tetsy Anosy.
Nanatrika izany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihan’ny Praiministra Ntsay Christian. Isan’ireo Ministra nanotrona izao fotoam-pivoriana izao Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
Ho dinihana mandritra ireto fivoriana ara- potoana voalohany ireto ny mikasika ny fandaniana ny volavolan-dalàna momba ny teti-bola-panjakana nasiam-panitsiana “LFR 2023” izay tokony ahitana taratra ny vola hanaovana fifidianana.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ may 2023
Parlement : Première session ordinaire pour l’année 2023
Le mardi 2 mai 2023, la première session ordinaire de l’Assemblée législative de Tsimbazaza et du Sénat d’Anosy a été officiellement ouverte.
Madame Christine RAZANAMAHASOA, Présidente de l’Assemblée Nationale, a présidé la réunion à Tsimbazaza, tandis que le Président du Sénat, Monsieur Herimanana RAZAFIMAHEFA, a dirigé l’ouverture de la session à Anosy.
La cérémonie s’est déroulée en présence des membres du gouvernement, dirigés par Le Premier Ministre NTSAY Christian. Madame VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle (METFP), a été également présente à ces deux sessions.
L’adoption de la Loi des Finances Rectificatives (LFR) 2023 sera parmi les ordres du jour durant ces sessions parlementaires.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ Mai 2023