Ao anatin’ny fampiharana ny politika nasionaly momba ny fampananan’asa sy ny fanofanana arak’Asa (PNEFP) dia notolorana mari-pahaizana ireo 49 mianadahy nisitraka ny fankatoavana ny fahaiza-manao na ny « Validation des Acquis de l’Experience » (VAE), ny 21 febroary 2023, tao amin’ny hôtel Le Pavé Antaninarenina.
Tonga nanome voninahitra izany ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny Mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny UNESCO ary ny Talem-paritry ny ETFP Analamanga.
Andiany voalohany avy eto amin’ny faritra Analamanga izy 49 mianadahy ary nozaraina ny mari-pahaizana:
✔CAP na Certificat d’Aptitude Professionnelle
✔BEP na Brevet d’Etudes Professionnelles
✔BTS na Brevet de Technicien Supérieur
Raha tsiahivina, ny fankatoavana ny fahaiza-manao (VAE) dia :
📌tetik’asa novolavolain’ny METFP ho fanatanterahana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra laharana faha 8 sy ny Velirano faha 6
📌fomba iray ahazoana diplaoma na fanamarihana ara-panjakana
📌ahafahan’ny olona rehetra manome lanja ny fahaizany sy ny traikefa hananany izay azon’izy ireo teo amin’ny asa nosahaniny nandritry ny taona maro.
Nisaotra manokana ny UNESCO ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa amin’ny tantsoroka ataon’izy ireo amin’ity tetikasa ity ary maniry ny hitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta dia ny UNESCO sy ny METFP.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ febroary 2023