✅Tanora miisa 152 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Institut National de Promotion Formation (INPF) Ivato ,ny 16 desambra 2022.
🧑🎓Nisalotra ny anarana AVO ity andiany faha 19 ity, rehefa nanaraka fiofanana nandritry ny roa(2) taona, ary notolorana ny mari_pahaizana Brevet d’Etude Supérieur (BTS) , sy ny Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée (DFPS) , ary ny Diplôme de Formation Professionnelle continue( DFPQ).
Seha_panofanana samihafa no narahan’ireto tanora ireto toy ny:
➡Froid et Climatisation
➡Transit et Commerce International
➡Mécanique Automobile
➡Finances et Comptabilité
➡Génie Mécanique et Maintenance Industrielle
➡Electronique et Informatique Industrielle
➡Electrotechnique
👉Marihina fa ny fahavitan’izao fiofanana izao, dia mamaly ny fanatanterahana ny Velirano 4 sy 6 nataon’Andriamatoa Filoham-pirenena ; ary mifanentana koa amin’ny tanjona apetraky ny Minisitera.
🎯Nankahery ireo tompon’andraikitra rehetra eto amin’ny ivo_toeram_piofanana INPF Ivato ny ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella amin’ny fanamafisana ny ezaka efa vita ka mba ho reharehan’ny eto Madagasikara sy any ivelany ity Institut National de Formation Promotion ity.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
©SCOM METFP/ décembre 2022