Ry Tanora, Zandry, Zanaka,
Mifarana izao ny taom-panofanana, fotoana izao handraisantsika ny vokatry ny fiofanana sy ny ezaka nandritra ny taona ; ka hanaovantsika dingana iray indray amin’ny alalan’ny fanadinam-panjakana, ho an’ireo voakasik’izany.
Toy izao manaraka izao ireo daty tsara ho tadidiana:
. 29 – 30 jona : Fifaninana hidirana taona voalohany
. 04 – 07 jolay : BEP
. 12 – 13 jolay : CFA
. 12 – 15 jolay : CAP
Ankasitrahako feno ianareo Talen-tsekoly sy ireo mpiara-miasa rehetra eny anivon’ny LTP, CFP sy CFPF amin’ny adidy masina iantsorohanareo.
Mamporisika sy mankahery anareo mpianatra ho tony eo am-piatrehana ny fanadinana. Entanina hatrany ny rehetra, hanaja ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina COVID. موقع المراهنات
« Olo mahay raha tsy very mandeha »