📌Ny taona 1945 no nijoro ny CFP Foulpointe. « Charpente marine » no taranjam-panofanana nisy tany am-piandohana raha ny taty aoriana kosa vao nanomboka ny taranja « Tourisme Hôtellerie et Restauration » sy ny « Ouvrages bois et menuiserie ». مواقع مراهنات كرة قدم
➡️Nivoatra hatrany ny fanofanana ka nanomboka ny 2015-2016 no niara-niasa akaiky tamin’ity ivotoeram-panofanana ity ny UNESCO, ny Humanité et Inclusion, sy ireo mpiara-miombon’antoka maro ao an-toerana, izay namatsy fitaovana, teo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa tarihin-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, izay tonga nitsidika sy nanolotra fitaovana ny Alahady 27 martsa 2022.
✅Mahavita manofana olona mihoatra ny zato (100) isan-taona eto amin’ny CFP Foulpointe ka tanjona ny hananan’ireo tanora asa mahavelona aorian’ny fiofanana. مراهنات كرة القدم اليوم
« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Martsa 2022