✅✅Nanatanteraka fambolen-kazo teny Arivonimamo, faritra Itasy ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny 03 martsa 2023, notarihin_dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
🎯🎯Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny politikam-panjakana amin’ny fanarenana ny tontolo iainana, ka hahatonga an’i Madagasikara ho Nosy maitso.
🌱🌱Zanan-kazo miisa 2.000 no novolena ka hazo fihinam-boa ny 300 amin’ireo, mpiofana iray mamboly hazo iray, tanjona ny hahatrarana ny 38000 hazo voavoly isan-taona.
📣📣Nanambara ny Ministra fa zava-dehibe ny fambolen-kazo toy izao araka ny toromarika efa napetraky ny Filohan’ny Repoblika, ka manana andraikitra goavana amin’izany ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ martsa 2023