Nitsidika ara-pomba fanajana ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanana vehivavy manerana an’i Madagasikara, ny 19 jona 2023 tao Ampefiloha.
Anisany nandrisika ity fikambanana ity hihaona amin-dRamatoa Ministra ny maha Ministra vehivavy azy, izay nanosika ny fikambanana amin’ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny andraikitra sahaniny.
Nisongadina nandritry ny fihaonana ny fampahafantarana ny vinan’ny fikambanana dia ny fikarakarana hetsika fitadiavam-bola kasaina ho tanterahina ny 06 aogositra 2023, ho entina ampiasaina amin’ny fitsidihina arahina fifanakalozana amin’ireo kaominina any ivelan’i Madagasikara. Miisa 94 amin’izao fotoana izao ireo vehivavy Ben’ny Tanana manerana ny Nosy, ary vinan’izy ireo hatrany ny famporisihina ny vehivavy handray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/Jona 2023
Le METFP et l’association des femmes Maires unissent leurs efforts pour le développement du Pays
L’Association des Femmes Maires de Madagascar, dirigée par Madame Laurence ANDRIAMBOLOLONA, Maire de la commune d’Anosizato, a rendu une visite de courtoisie au Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation professionnelle VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ce 19 juin 2023 à Ampefiloha.
L’une des principales motivations de cette visite était le fait que la Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation professionnelle soit une femme, symbolisant ainsi la volonté de l’association de soutenir et d’encourager la participation des femmes dans des postes clés de décision.
Au cours de la rencontre, la Présidente des Femmes Maires de Madagascar a exprimé la vision de l’association et a partagé ses plans pour un événement de levée de fonds prévu le 06 août 2023, afin de financer une visite d’échange à l’étranger pour les femmes maires malgaches. L’association compte actuellement 94 femmes Maires dans tout Madagascar et vise à encourager la participation des femmes dans le développement du pays.
« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/Juin 2023