🔴Fanamboarana ny varavaran’ny biraon’ny mpiandraikitra ny sekoly, ny varavaran’ny sekoly fianarana izay asatanan’ireo mpianatra ihany, fanarenana ireo dabilio simba maro be sy fandokoana ireo moron’ny zaridaina rehetra ary fanadiovana ireo faritra hita fa maloto….

🔴Ireo no anisan’ny asa notanterahina tao anatin’ny hetsika “Tagnamaro, Andron’ny olom-pirenana”, androany sabotsy faha 18 may 2024 tao amin’ireo Lycée technique professionnel (LTP) miisa 2 sy Centre de Formation professionnelle (CFP) miiasa roa (LTP Moramanga ,LTP Vodiriana,CFP Anjiro ary ny CFP Anosibe an’Ala) ao anatin’ny Fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ao Alaotra Mangoro.

🔴Tamin-kafaliana avokoa no nanatontosana izany ary voatazona hatrany ny lalan-tsaina entin’ny Tagnamaro satria niova tao anatin’ny fotoana fohy ny endriky ny manodidina rehetra ary niavaka ny fomba fiasa nanjakan’ny firaisankina.

“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”

kolotsaina, soa iombonana, mahatsiaro ho tompony

Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa