“Madagasikara mandroso,Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana”
Amin’izao ankatokin’ny fankalazana ny faha-64 taonan’ny fetim-pirenena Malagasy izao dia niompana tanteraka tamin’izany ny hetsika TAGNAMARO tamin’ity faha 15 Jona 2024 ity teto amin’ny DRETFP Betsiboka.
Nitondra fanatsarana sy fanavaozana ny toeram-pananganan-tsaina.
Nohatsaraina ireo rari-biriky izay mamefy ny zaridaina miodidina ny kianja fananganan-tsaina mba hanome endrika vaovao.
Nohavaozina ny lokon’ireo soratra vaventy vita amin’ny vato manamarika ny LTP Maevatanana, sy ny sarin-tany Madagasikara lehibe vita amin’ny vato eo afovoan’ny kianja fananganan-tsaina.
Ny ekipa rehetra mpiara-miasa eto amin’ny Fitaleavam-paritra ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa Betsiboka no niara-nisalahy tamin’izany izay notarihin’ny Talem-paritra, teo ihany koa ireo Mpampianatra sy ireo mpianatra miofana avy ao amin’ny LTP Maevatanana miaraka amin’Atoa Proviseur ny LTP Maevatanana.
Nampahatsiahivina hatrany ny maha-zava-dehibe ny hetsika TAGNAMARO.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”