Niompana tamin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny efitrano fianarana “Bâtiment B” ny Lycée Technique Maevatanana, ny fanamboarana ireo simba, ny fandokoana ireo rindrina rehetra anatiny sy ivelan’ny efitrano sekoly ary ny fanavaozana ny lokon’ireo tabilao mainty fianarana ny hetsika “Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena”, natao ny sabotsy faha 18 may 2024, tao amin’ny fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa ao Betsiboka.
Tany amin’ny taona 2008 no nanorenana ny efitrano ary ny taona 2011 no natolotra ny Lycée Technique Maevatanana izany. Hatramin’izay dia tsy nisy fikarakarana sy fanamboarana ity fotodrafitrasa ity. Izany indrindra no nanosika ny mpiara-miasa rehetra nisafidy ny handray an-tanana ny fanatsarana ity efitrano ity tamin’ny alalan’ny “Tagnamaro”.
Ny mpiara-miasa rehetra teto anivon’ny Fitaleavam-paritra ny Fampianarana Teknika sy fampiofanana arak’asa BETSIBOKA sy ny mpampianatra mpampiofana avy ao amin’ny Lycée Technique Maevatanana ary ireo ankizy mpianatra sy mpiofana no nifarimbona ka nahavitana izany.Nasongadina hatrany ny maha-zava-dehibe ny hetsika Tagnamaro amin’ny maha-fanabeazana hanasoa sy hikolokolo ary hitandrina ny fananana iombonana ankoatran’ny fampiofanana ireo mpianatra ara-teknika sy arak’asa koa.
“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”
kolotsaina, soa iombonana, mahatsiaro ho tompony
Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa