🔴Tonga maro dia maro ireo mpianatra, sy mpampianatra ary mpandraharaha ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ao amin’ny Faritra DIANA, ary naneho ny fahavitrihany tanteraka tamin’ny fanatanterahana ny hetsika « Tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », izay fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, izay notontosaina tao amin’ny CFP par EXCELLENCE ao Antsiranana ny sabotsy faha 18 may 2024 ho an’ity faritra ity.

🔴Sekoly miisa efatra (LTP PK4, LTP PK3, CFPF, CFP par EXCELLENCE) no niaraka nisalahy nanao ny fanadiovana ny manodidina ny foiben’ny toeram-piofanana CFP par EXCELLENCE. Tsy vitan’ny resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny « Tagnamaro », amin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa izy ireo, fa nampiseho koa fa tena mampisy firaisan-kina ny hetsika toy izao.

“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”

kolotsaina, soa iombonana, mahatsiaro ho tompony

Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa