Niara-nientana ny mpiara-miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa faritra SAVA sy ny LTP Sambava ary ny CRFPPSH Soavinandriana Sambava nanatanteraka ny hetsika TAGNAMARO andron’ny Olom-pirenena ny Sabotsy faha 15 Jona 2024 .
Fanohizana ny fanoloana ireo tafo simba rehetra sy fikikisana ny rindrina izay holokoina no natao tao amin’ny CRFP
PSH Soavinandriana Sambava. Fanaovana ny ady fototra ny tamboho kosa ny tao amin’ny LTP Sambava.
Hisaorana ireo rehetra malala-tanana nanampy tamin’ny fividinana ny tafo sy nanome ireo fitaovana nampihasaina nandritra io hetsika io.
” Olo mahay raha tsy very mandeha”