Tao amin’ny biraon’ny Fitaleovam-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa tao amin’ny “plaque vatofotsy” no nifanome tanana tao anatin’ny Tagnamaro ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny DRETFP Vakinankaratra ny sabotsy 18 may 2024. Nifantoka tanteraka tamin’ny fanatsarana ny endrika ivelan’ny birao ny asa natao tamin’izany.
Nohavaozina sy nolokoina ny “façade”, miaraka amin’ireo sary famantarana ary ny soratra rehetra mamaritra azy
Nosoloina vaovao ny sainam-pirenena
Nolokoina ireo rindrina rehetra
Nosasana ireo varavaran-kely sy varavaram-be rehetra
Nosasana ireo rindrina anatiny rehetra
Nodiovina ny tokontany ary nesorina ireo ahidratsy
Nalamina ireo vato sy biriky teo an-tokontany
Natsaraina ny zaridaina tamin’ny fikolokolona ireo voninkazo
Nasiana “jardin potager” nambolena legioma aorianan’ny birao….Nifanome tanana tamin’ny mpiara-miasa ao amin’ny DRETFP tamin’ny fanatontosana ity hetsika tagnamaro, andron’ny olom-pirenena ity ireo mpiara-miasa avy eo anivon’ireo toeram-pampianarana teknika miankina amin’ny Fanjakana toy ny LTP sy CFP eto Vakinankaratra .
“Olo-mahay raha, tsy very mandeha”
kolotsaina, soa iombonana, mahatsiaro ho tompony
Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa