Taom-baovao 2023: fiarahaban’ireo Talem-paritry ny ETFP

Tonga niarahaba an-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa noho ny tonon-taona ireo Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa ny talata faha 17 janoary 2023.

Tsy hadinon-dRamatoa Ministra ny nankasitraka ireo Fitaliavam-paritra tamin’ny ezaka vita nandritra iny taona lasa iny ary namaritra ihany koa ireo vina sy ny tanjona ho tratrarina amin’ity taona 2023 ity. Araka ny nambaran-dRamatoa Ministra dia taonan’ny fanohizana ny ezaka vita ny 2023 ary hisy hatrany ny fidinana ifotony any amin’ny faritra tsirairay avy.

Tao aorian’ny fandraisana ireo Fitaliavam-paritra dia nandray ireo Lehiben’ny ivon-toeram-panofanana sy Proviseur Lysea teknika eto amin’ny Faritra Analamanga Ramatoa Ministra.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
© CELCOM METFP/ janvier 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle