➡Amin’ny maha tonon-taona ny andro dia nanatanteraka ny fananganan-tsaina voalohany amin’ity taona 2023 ity ny fianakaviam-ben’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, ny Alatsinainy faha 09 janoary 2023.

🙏Teny fiarahabana sy feno firariantsoa no natolotry ny Ramatoa Ministra, VAVITSARA Rahantanirina Gabriella ho an’ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Ministera sy ho an’ireo rehetra any amin’ny faritra.
Nanamafy Ramatoa Ministra nandritry ny lahateniny fa betsaka ireo ezaka vita tamin’iny taona 2022 iny ary nisaotra ny tsirairay avy izy tamin’ny fampandrosoana ny asan’ny ministera.

🎯Raha mahakasika ny tombana dia maro ny zava-bita nandritra iny taona lasa iny :
✅ Fanovana ny rafi-pitantanana
✅ Fanatsarana ny endrika ivelan’ny toeram-piasana sy ny zaridaina
✅ Fidirana amin’ny tontolo maitso sy ny fandraisana anjara amin’ny fambolen-kazo
✅ Fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro samihafa izay nisitrahan’ny tanora asa mendrika
✅ Fanorenana ivo-toeram-panofanana tao Ranopiso (faritra Anosy), tao Fenoarivo Atsinanana (faritra Analanjirofo) sy ny maro hafa koa
✅ Fisitrahan’ny tanora mari-piofanana
✅ Fanavaozana efitrano fianarana izay ravan’ny rivodoza toy ny tao Mananjary sy Fianarantsoa
✅ Fisitrahan’ny tanora sy ny vehivavy fiofanana faobe izay mitarika asa avy hatrany
✅ Fanomezana fahazoan-dalana hisokatra ho an’ireo CFP manerana ny nosy izay mifanaraka amin’ny filan’ny faritra
✅ Fandraisana ireo vacataires ho mpiasam-panjakana ary mbola hitohy izany amin’ity taona 2023 ity
✅ Fahazoana voka-pananadinana tsara sy ambony indrindra tamin’ny Bakalorea teknika, taona 2022

🎯Nanentana hatrany Ramatoa Ministra ny amin’ny fahavononan’ny tsirairay mba hanatsara sy hampiakatra ny lazan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanan arak’asa. Mila manamafy ny ezaka isika araka ny nambarany mba hanatrarana ny tanjona sy fanamby napetraky ny fitondra-panjakana.

🔝Ity taona 2023 ity dia taonan’ny fanohizana ny ezaka efa vita ka isan’ireo tsy maintsy ho vitaina ireo Centre de formation d’Excellence manerana ireo faritany entina (6) teo aloha ary ny Centre de Formation Professionnelle de Référence miisa iraikambinifolo (11).

🙏Tonga niarahaba an-dRamatoa Ministra tao amin’ny birao fiasany koa ireo mpikambana ao amin’ny Kabinetra sy ny staff ao amin’ny Ministera tao aorian’ny fananganan-tsaina.

“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ janoary 2023

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle