🇲🇬 𝐅𝐀𝐍𝐎𝐊𝐀𝐅𝐀𝐍𝐀 𝐎𝐅𝐈𝐒𝐈𝐀𝐋𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐎𝐈𝐁𝐄𝐌-𝐏𝐈𝐎𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐓𝐄𝐍𝐘 𝐒𝐈𝐍𝐎𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀𝐈𝐙𝐀-𝐌𝐀𝐍𝐀𝐎
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 23 Febroary 2025 tao amin’ny orinasa King Deer Cashmere ny Foibem-piofanana amin’ny Fiteny Sinoa sy ny Fahaiza-manao, vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Ambasadin’i Sina.
Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, dia nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana niaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Notsiahiviny fa tafiditra tanteraka amin’ny Politikan’ny Fanjakana tarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ity tetikasa ity, izay manome lanja ny fanofanana sy ny fampivelarana ny maha-olona ho fototry ny fampandrosoana.
Taorian’izay dia nisy fifanakalozana niarahana amin’ireo tompon’andraikitra hampandrosoana ity foibe ity, ary koa fitsidihana ny orinasa.
🇫🇷 𝐈𝐍𝐀𝐔𝐆𝐔𝐑𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐎𝐅𝐅𝐈𝐂𝐈𝐄𝐋𝐋𝐄 𝐃𝐔 𝐂𝐄𝐍𝐓𝐑𝐄 𝐃𝐄 𝐅𝐎𝐑𝐌𝐀𝐓𝐈𝐎𝐍 𝐄𝐍 𝐋𝐀𝐍𝐆𝐔𝐄 𝐂𝐇𝐈𝐍𝐎𝐈𝐒𝐄 𝐄𝐓 𝐄𝐍 𝐂𝐎𝐌𝐏𝐄́𝐓𝐄𝐍𝐂𝐄𝐒 𝐏𝐑𝐎𝐅𝐄𝐒𝐒𝐈𝐎𝐍𝐍𝐄𝐋𝐋𝐄𝐒
Le 23 février 2025, l’inauguration officielle du Centre de Formation en Langue Chinoise et en Compétences Professionnelles a eu lieu au sein de l’entreprise King Deer Cashmere, fruit d’une coopération entre l’État malagasy et l’Ambassade de Chine à Madagascar.
Madame RASOLOARISOA Marie Marcelline, Ministre de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle, a honoré cet événement de sa présence aux côtés des partenaires impliqués.
Dans son discours, elle a souligné que ce projet s’inscrit pleinement dans la Politique Générale de l’État, portée par le Président Andry Rajoelina, qui place la formation et le développement des compétences humaines au cœur du progrès national.
À l’issue de la cérémonie, des échanges ont eu lieu avec les responsables du centre pour renforcer son développement, suivis d’une visite des infrastructures de l’entreprise King Deer Cashmere.























