Tonga nitsidika ny Institut National du Tourisme et de l’Hôtellerie (INTH) Ampefiloha, ny 5 Martsa 2025, Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, niaraka tamin-dRamatoa Viviane DEWA, Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana.
Tanjona ny hanomezana fampiofanana manara-penitra ho an’ny tanora malagasy amin’ny alalan’ny fanarenana sy fanatsarana ny ivon-toeram-pampiofanana.
Izany no porofo fa vonona ny ministera roa tonta hanatsara sy hanome lanja bebe kokoa ny fiofanana ara-teknika sy arak’asa, izay anisan’ny fototry ny fivoarana.
Ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa dia manohana hatrany ireo tanora, amin’ny fianarana matihanina, satria io no lakilen’ny fahombiazana sy fandrosoana ho an’ny firenena.






















