Nanohy ny fidinana ifotony tao Vangaindrano ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa Marie Marcelline Rasoloarisoa , ny 8 febroary 2025. Tonga nanome voninahitra sy nangataka tso-drano tamin’ireo Ray aman-dreny ara-drazana “𝑯𝒐𝒕𝒔𝒂𝒇𝒚 𝒂𝒎𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂” izy, sady nanentana azy ireo hanohana ny tanora handray fiofanana.
Nitohy tamin’ny lanonana tao amin’ny Hôtel de Ville de Vangaindrano ny dia, niarahana tamin’ny Governora, Préfet ary manam-pahefana maro. Nisy ny 𝒇𝒊𝒛𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒓𝒊-𝒑𝒊𝒐𝒇𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 ho an’ny mpianatra avy amin’ny CFPF sy LTP Vangaindrano.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ihany koa ny 𝑴𝒂𝒓𝒂𝒕𝒉𝒐𝒏 𝒅𝒆 𝑭𝒐𝒓𝒎𝒂𝒕𝒊𝒐𝒏, ka tanora maro no nisitraka fiofanana faobe momba ny fanamboarana savony sy labozia, hahafahan’izy ireo mamokatra sy mivelona amin’ny asa velon-tena avy hatrany.






















