Nandray ny solontenan’ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP) tarihin’ny Tale Jeneraliny, Andriamatoa Pierre Raoelina ANDRIAMBOLOLONA, i Ramatoa RASOLOARISOA Marie Marcelline, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, androany 08 septambra 2025.
Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny fanofanana arak’asa sy ny fananganana paikady vaovao hamaliana ny tinady mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. Notsipihana tamin’izany koa ny andraikitry ny FMFP sy ny METFP amin’ny fanohanana ny fiofanana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fahaiza-manaon’ny tanora.





