Tontosa ny alatsinainy 02 jona 2025 ny carnaval nasionaly, fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara, lanonana lehibe notarihin’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andriamatoa Andry RAJOELINA, ary nahitana fandraisana anjara mavitrika avy amin’ireo ministera samihafa.
Nisolo tena ny Faritra Ihorombe ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, izay faritra eo ambany fiahian-dRamatoa Minisitra Marie Marcelline RASOLOARISOA, tonga nanatrika sy nanohana mivantana ny diabe.
Niavaka tamin’ity diabe ity ny fanasongadinana ny kolontsaina isam-paritra. Miara-mijoro ary maneho firaisankiana amin’ny vahoaka malagasy rehetra ny fianakaviamben’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, amin’izao fotoana manan-tantara izao.





















