𝐌𝐀𝐍𝐃𝐈𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 : 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐈𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 : 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀

𝐌𝐀𝐍𝐃𝐈𝐍𝐈𝐊𝐀 𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀 : 𝐇𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐊𝐍𝐈𝐊𝐀

Notontosaina androany 7 aprily 2025, tao amin’ny Gymnase couvert Mahamasina ny hetsika “Mandinika Aloha”, izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa, niaraka tamin’ireo rantsa-mangaika. Nanokatra ny hetsika Ramatoa Minisitra RASOLOARISOA Marie Marcelline, notronin’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’Antananarivo faha efatra, Andriamatoa RAFIDIMANANA Désiré, ary ny ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra, Ramatoa RAMANANTSOA Harilala. Nanomboka teto Antananarivo ny hetsika ary mbola hotohizana any amin’ny faritany dimy hafa.
Ny tanjon’ny “Mandinika Aloha” dia ny hanatsarana sy hanavaozana ny kalitaon’ny fampianarana teknika amin’ny alalan’ny fandaharam-piofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatry ny asa. Anisan’izany ny fanatanterahana ny « alternance », izay mikendry ny hanamora ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa amin’ny alàlan’ny fampifandraisana akaiky ny fiofanana sy ny asa eny amin’ny orinasa.
Miisa 700 ny mpandray anjara tamin’ity hetsika ity, anisan’izany ireo mpampiofana, talem-paritra, talen’ny ivon-toeram-panofanana, ary ny tompon’andraikitra avy amin’ny ministera. Nifampidinika izy ireo momba ny fanatsarana ny fandaharam-piofanana amin’ny sehatra toy ny Tourisme, Hôtellerie, Restauration (THR), Textile, Habillement et Accessoires (THA), Art et Technique (ART), Tertiaire, Industriel, ary Génie Civil.
Notsiahivin-dRamatoa Minisitra fa dingana lehibe amin’ny fananganana hoavy mamiratra ho an’ny tanora ny hetsika toy izao, ary ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa dia manana anjara lehibe amin’ny fanatanterahana izany, ary mitondra fampandrosoana ho an’ny firenena.

𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 I 𝗢𝗡𝗚 𝗦𝗼𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲 𝘀𝗮𝗻𝘀 𝗳𝗿𝗼𝗻𝘁𝗶è𝗿𝗲𝘀 : 𝗵𝗶𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗽𝗶𝗼𝗳𝗮𝗻𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗵𝗮𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗴𝗼𝘃𝗼 𝗮𝘇𝗼 𝗮𝘃𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗵𝗲𝗿𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗼𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Calendrier des examens

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Formation FPQ/AMB

Adresses

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle