Araka ny toromarika ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, dia nitsidika ny Oniversite tao Maninday Toliara ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny 29 novambra lasa teo. Isany niatrika izany ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, TSILEFA Antonio.
Ireto mpianatra ireto dia nandray anjara mavitrika tamin’ny tolona, ka io fotoana io no nahafahana nihaino sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo. Hisy araka izany ny fanavaozana eny anivon’ny oniversite mba hamaliana ny filàn’ny mpianatra sy hampandroso ny tontolon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny.
Ankilan’izay, ho an’ny METFP dia mazava ny tanjona. Omena vahana ny fahaiza-manao sy ny traikefa azon’ny tanora eny anivon’ny fampianarana teknika ary hampakarina ny taha ahafahan’izy ireo manohy ny fianarany eny amin’ny oniversite.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”









