𝗙𝗜𝗔𝗥𝗔𝗛𝗔-𝗠𝗜𝗔𝗦𝗔 : 𝗠𝗘𝗧𝗙𝗣 – 𝗤𝗠𝗠
Tonga nitsidika an-dRamatoa Ministra RASOLOARISOA Marie Marcelline, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny orinasa QIT Madagascar Minerals (QMM), tarihin-dRamatoa Isabelle WABETE, Directrice exécutive ny QMM, androany 10 aprily 2025, taorian’ny fanaovan-tsoniam-piaraha-miasa natao ny 4 aprily 2025 tao amin’ny QMM Taolagnaro.
Nisongadina tamin’izany ny fifanakalozana mikasika ny fanatanterahana ny “Alternance”, izay mikendry ny hanamora ny fidiran’ny tanora eo amin’ny tontolon’ny asa amin’ny alalan’ny fampifandraisana akaiky ny fiofanana sy ny asa eny amin’ny orinasa, ary hamaritana ny fiaraha-miasa ho avy.
Samy naneho ny fahavononany ny Ministera sy ny QMM hifanome tanana ho fampandrosoana ny loharanon-karena maha-olona, ary indrindra ho fanomezana fahafahana hamorona asa ho an’ny tanora malagasy.






