𝟬𝟴 𝗔P𝗥𝗜𝗟𝗬 𝟮𝟬𝟮𝟱 : 𝗙𝗜𝗙𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗟𝗢𝗭𝗔𝗡-𝗞𝗘𝗩𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗕𝗔𝗡𝗤𝗨𝗘 𝗔𝗙𝗥𝗜𝗖𝗔𝗜𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗗𝗘́𝗩𝗘𝗟𝗢𝗣𝗣𝗘𝗠𝗘𝗡𝗧 (𝗕𝗔𝗗)
Noraisin-dRamatoa Minisitra RASOLOARISOA Marie Marcelline tao amin’ny biraony, Andriamatoa Adam AMOUMOUN, solontenan’ny Banque Africaine de Développement (BAD).
Nifantoka tamin’ny fanatsarana sy ny fampandrosoana ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny resaka.
Taorian’izany dia ny fitsidihana ny Hangar an’ny Minisitera izay toerana kasaina hanaovana ivon-toerana fanofanana ho an’ny mpampiofana ny roa tonta ka taorian’izany dia naneho ny fahavononany ny solontena maharitry ny BAD hanampy amin’ny fanarenana sy fananganana izany ivon-toerana izany.
















