Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany 11 Desambra 2025 tao amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny fametrahana ny rafitra hankatoavana ny fahaiza-manao ho an’ireo mpiantsehatra tsy manara-penitra. Nanotrona ny lanonana ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, TSILEFA Antonio, ny Filohan’ny Filan-kevi-pitantanan’ny FMFP ary ireo tompon’andraikitra samihafa mifanohana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.
Amin’izao vanim-potoana izao dia mianatra asa eny ifotony ny ankamaroan’ny tanora malagasy fa tsy manana mari-pahaizana. Ka noho izany indrindra, dia nifanome tanana ny METFP sy ny « Fonds Malgache de Formation Professionnelle » (FMFP) amin’ny fametrahana rafitra iray ahafahan’ireo tanora manamarina ny traikefa ananany amin’ny fisitrahana diplaoma.
Mpiantsehatra miisa 250 no hisitraka ny fanamarinana ny fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny VAE (Validation des Acquis et de l’Experience) ary tanora maherin’ny 500 ihany koa no ho tohanan’ny tetikasa. Sehatr’asa stratejika toy ny fametahana fitaovana sanitera (installation sanitaire), ny fanefena vy, ny mekanika ary ny fampangatsiahana no ho ankatoavina mandritry ny tombana.
Ho aparitaka amin’ny tanàna folo manerana ny nosy izao rafitra izao ary ny tanjona dia ny hanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’asa sy ny toekarena isam-paritra. Hisy noho izany ny fanavaozana ireo torolalana sy fenitra nasionaly mahakasika ny fiofanana mba hanomezana antoka ny kalitaon’ny tombana ho atao amin’ireo mpiadina.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”













