Ny 10 desambra 2025 dia nandray ireo solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Andriamatoa TSILEFA Antonio.
Noresahana nandritry ny fihaonana ireo endri-piaraha-miasa misy eo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny METFP, indrindra ny lafiny fanohanana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanofanana ireo tanora malagasy.
Nampahafantatra ireo fanavaozana ho apetraka eto anivon’ny Ministera Andriamatoa Ministra ary vonona ny hifanome tanana aminy ny Banky Iraisam-pirenena ho fanatrarana ireo tanjona iombonana.
Isany anton’ny fitsidihana tahaka izao ny fametrahan’ireo mpiara-miombon’antoka ny laharam-pahamehany hifanaraka amin’ny politikam-panjakana miompana amin’ny fanavaozana.
Olo_Mahay_Raha_Tsy_Very_Mandeha









