Nandray ny ONG Solaire sans frontières sy ny Amicale RAZANAMANGA i Andriamatoa TSILEFA Antonio, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny 10 desambra 2025.
Misehatra amin’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ny ONG Solaire sans frontières ary mifarimbona amin’ny fikambanana marolafy ho fitsinjovana ny sosialin’ny mponina amin’ireo toerana farany lavitra.
Araka izany, dia nametraka ivon-toeram-piofanana iray eo anivon’ny Don Bosco ao Mahajanga ny Fikambanana tamin’ity taona ity ary mampiofana ireo mpampiofana (formation des formateurs) hisehatra eo amin’ny tontolon’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro (système solaire photovoltaïque). Mizara sokajy roa ny fampiofanana dia ny “niveau formateur” sy ny “niveau installateur et technicien de maintenance”.
Ao anatin’ny fanapariahana izany fampiofanana izany, ny ONG Solaire sans frontières dia hanokatra ivon-toeram-piofanana hafa ao amin’ny Don Bosco Fianarantsoa sy ao amin’ny Faritra Vatovavy. Izao no ho atao ho fanomezana fahaiza-manao ireo mponina ao an-toerana ary koa ho famoronana asa ho azy ireo. Afaka ny hampiofana avy hatrany ireto farany aorian’ny fiofanana nomena azy ireo.
Naneho ny fahavononany avy hatrany ny METFP hifanome tanana, ary koa hanome tolo-kevitra amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fametrahana ivon-toeram-piofanana ireo, mba ahafahan’ny tanora manerana an’i Madagasikara misitraka ny fiofanana, sy miroso avy hatrany amin’ny asa.
Olo_Mahay_Raha_Tsy_Very_Mandeha






