Natomboka anio 11 Janoary 2025 ny fandraisana ireo nisoratra anarana tamin’ny hetsika “FIJERY HAFA” izay notontosaina tao Ambatondrazaka ny 7 desambra 2024.
Ny teny vahiny (Français-Anglais-Allemand) no nanokatra izany ary hotanterahina isaky ny sabotsy mandritra ny 3 volana ny fiofanana. Mpampianatra miisa 8 no handray an-tanana ireo mpiofana ireo.
Ho hatomboka tsy ho ela koa ny fandraisana ireo seha-piofanana manaraka.










