Famoahana mpiofana tao Ankazobe

Ny Alatsinainy 7 jona 2021 no notanterahana ny famoahana ny andiany niofana amin’ny sehatr’asa « Informatique bureautique » sy « Habillement » tao amin’ny LTP Ankazobe. Miisa 160 ireo nandray anjara tamin’izany fiofanana izany ka ny PIFTIC Ankazobe no tantsoroka nahatontosana ny fanofanana mombany informatika. Marihana fa mpampiofana sy tanora no nisitraka ny fiofanana.
Maro ny olo-manan-kaja sivily sy miaramila nanatrika ny lanonana ka isan’izany Atoa Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Ankazobe, Atoa Lehiben’ny Distrika, Atoa Lefitry ny Ben’ny tanana ary ny solotenan’ny Olom-pirenena Tompon’Andraikitra (OPTA). Nisy ihany koa ny delegasiona solotenan’ny METFP nanotrona ny fotoana dia avy amin’ny kabinetran’ny Ministra TSIKEL’IANKINA Ernest, ny tale UCAI ary ny Tale-paritry ETFP Analamanga. Nandritra io fotoana io ihany koa no nanolorana ireo mpikambana aoamin’ny birao vaovaony PIFTIC.

« Olo-mahay raha, tsy very mandeha »
© SCOM METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle