🚩 Noho ny fitohizan’ny andro ratsy sy rotsak’orana dia mbola manan-kery ny fampitandremana avy amin’ny BNGRC – MÉTÉO MADAGASIKARA – APIPA ; ka mitohy manaraka izany ireo fepetra mampiato ny fampianarana sy fanofanana amin’ireo toerana voakasik’izany ny 24 sy 25 Janoary 2022.

📢 Manentana hatrany ny ray aman-dreny sy ny mpianatra/mpiofana, hanaraka tsy tapaka ny vaovao, ho fisorohana ny loza mety ho ateraky ny toetr’andro.

⚠️ Ireo tompon’andraikitry ny fampiofanana teknika sy fanofanana arak’asa manerana an’i Madagasikara dia efa nahazo toromarika ny handray fanapahan-kevitra hampiato vonjimaika ny fidirana an-tsekoly, raha ahiana mety hitera-doza izany noho ny antony samihafa.

© METFP / Janoary 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle