Fitsidihana ny LTP sy CFP Mananjary taorian’ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI

🫂 Tonga nitsidika sy nankahery ireo mpiara-miasa taty Mananjary ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.

🚩 80% ny efitrano fianarana eo anivon’ny LTP sy CFP no simba vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, ka avy hatrany dia nitondra fitaovana hanarenana vonjimaika ireo efitrano ireo ny delegasiona notarihiny. Tanjona amin’izany ny ahafahan’ireo mpianatra hiverina an-tsekoly faran’izay haingana, indrindra ireo amin’ny kilasy fanadinana.

🤝 Nitafa tamin’ireo mpiara-miasa rehetra taty an-toerana ny Ministra ary nitondra vatsy ho an’ireo mpiasa izay nisedra ny mafy nandritra iny fandalovan’ny rivodoza iny. Nanentana indrindra ny mba hisian’ny firaisankina eo amin’ny fianakaviamben’ny ministera Ramatoa Minisitra, mba hifanolo-tanana amin’ny fanarenana ireo efitrano fianarana sy ny birao simba ny rehetra.

« Olo-mahay raha tsy very mandeha « 
©️ Cabinet METFP
Photos: Scom METFP

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle