LTP Andapa : Fampitaovana sy fanolorana mari-panofana

Anisan’ireo Lysea Teknika manofana tanora amin’ny sehatry ny fambolena ny LTP Andapa. Mpiofana 119 no liana amin’ity fanofana ity, satria dia azo sokajiana ho isan’ny sehatr’asa maro misafidy noho i Andapa distrika mamokatra vary sy legioma.

Mbola olana tsy hivelaran’ny fampiofanana anefa ny velarana misy ny ivon-toeram-panofanana, ankoatran’ny efitrano fianarana ary ireo fitaovana hoenti-mampiofana.

Ezahiny hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa – Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella – ny hampitovy ireo ivon-toeram-panofanana rehetra manerana ny nosy, hatomboka amin’ny fampitaovana izany, toy izao natao teto amin’ny LTP Andapa izao.

Tamin’ity anio ity ihany koa dia navoka tamin’ny fomba ofisialy ireo tanora nanao fiofanana fohy ezaka toy ny informatika, ny tao-zaitra, ny fiompiana tantely…

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Octobre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle