METFP – Association Fitia : Nifanome tanana tetsy amin’ny EPP Ankorondrano

🙏🏼Ho fanampiana ireo tra-boina noho ny fiakaran’ny rano, dia mitohy ny fandraisana an-tanana ataon’ny Association Fitia amin’ny fizarana sakafo ho azy ireo.

➡️Ny 26 janoary 2022 dia nifanome tanana niaraka tamin’ity fikambanana ity, tetsy amin’ny EPP Akorondrano ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, sady nitondra mofo 500 isa ho fanampiana ny sakafon’izy ireo.

✅Fianakaviana tra-boina miisa 352, tsinjaraina amina efitrano 06, avy ao amin’ny Fokontany Akorondrano Andrefana no raisina an-tanana eto amin’ny EPP Akorondrano.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️ SCOM METFP/ Janvier 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle