METFP – DRETFP DIANA : Fitsidihana sy Fampitaovana ireo ivotoeram-panofanana

🎯 Laharam-pahamehana ny fampifanojoana ny fanofanana sy ny tolotr’asa hoy ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella.

🤝 Dingana lehibe amin’izany ny fampitaovana ireo ivotoeram-panofanana, mba tsy hifanalavitra amin’ny zava-misy eny amin’ny orinasa ny fampiharana ataon’ireo mpiofana.
Tao aorian’ireo fitsidihana ny LTP Antsiranana sy Ambanja, dia nikaroka izay fiaraha-miasa rehetra hoentina hampitaovana izany ny Ministra, ka anisan’ireo namaly ny antso, na ara-pitaovana na ny fandraisana ireo mpiofana amin’ny fampiharana, ny Earth Group.

🔎 Tanjona hoy Ramatoa Minisitra, dia ny afahan’ireo tanora izay miofana, hamaly ny filan’ny tsenan’ny asa. Miankina amin’izy ireo mantsy ny fampandrosoana, ka nasiany tsindrim-peo manokana izany.
Ho an’ny Earth Group dia ny lafiny taotrano sy asa vaventy no nitondrany fanohanana manokana ho an’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, teto amin’ny faritra Diana.
Tonga nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy izy ireo ny Alatsinainy 07 febroary 2022, ary nanome voninahitra ny fotoana ireo manam-pahefana isan-tokony ; ka nanamafy ny hanatsarana sy hanavaozany ireo ivon-toeram-panofanana moa Ramatoa Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena – Jocelyne MAXIME

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle