METFP : Fanolorana sakafo ireo tra-boina

▶️Maro amin’ ireo tra-boina no tsy mbola afaka mamonjy ny toeram-ponenany. Mitohy araka izany ny fanampiana azy, ireny manoloana ny fahasahiranana iainany ; toro-marika nomen’ny Filohan’ny Repoblika rahateo ny tokony hanampian’ny Ministera tsirairay avy ireo toerana mandray ny tra-boina.

🙏🏼🙏🏼Ny 29 janoary 2022, nitondra indray ny anjara birikiny ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’Asa, ka nanome sakafo atoandro, ronono, savony, biscuits ho an’ireo tra-boina miisa 240, mitoby ao amin’ny Ecole de l’Espoir ao amin’ny Fokontany Ampefiloha Ambodirano.

⭐Nanamafy ny Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella fa « zava-dehibe ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanana miaraka amin’ny BNGRC sy ny fitondram-panjakana, manoloana ny tranga toy izao».

 » Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/Janvier 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle