METFP – FARITRA ATSIMO ANDREFANA : Fitsidihana ny CFP Milenaky

➡️Tao aorian’ny Toliara, dia nizotra nankany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Milenaky indray ny delegasiona notarihin’ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’Asa, Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, ny folakandron’ny Talata 26 Aprily. Na dia teo aza ny andro ratsy, dia tsy nahasakana ireo mpiara-miasa sy ireo mpianatra ao Milenaky ny hihaona amin-dRamatoa Ministra, mba hahafan’izy ireo mitafa sy manao tatitra ny zavatra iainan’izy ireo.

📌Nanambara ny Ministra fa hiezaka ny fitondram-panjakana fa hanokatra lalam-piofanana vaovao izay mifandraika amin’ny filàn’ny mponina ao an-toerana.
Notokanana nandritra io andro io ihany koa ny tsangam-bato manamarika ny roambifolo taona niorenan’ny CFP ao Milenaky.

« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️CABINET METFP/ Avril 2022

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle