Salon des métiers et de la formation professionnelle : andiany voalohany

📌 Trano heva miisa 45, ahitana ireo lysea teknika, ireo ivon-toeram-panofanana misehatra eo amin’ireo sehatr’asa dimy (BTP, THR, Développement Rural, TIC, THA), ireo « Institut de formation » tsy miankina amin’ny fanjakana ary ny mpiara-miombon’antoka, no manao fampiratiana etsy amin’ny LTP Alarobia mandritry ny telo andro.

✅ Ny alakamisy 25 novambra 2021 no natao ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny andiany voalohany izany hetsika « SALON DES METIERS ET DE LA FORMATION PROFESSIONNELLE » izany. Lanonana teo ambany fiahian-dRamatoa Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana – VAVITSARA Rahantanirina Gabriella. Tonga nanome voninahitra kosa ny Faritra Analamanga tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny.

💡Tanjona ny hampiroborobo ny sehatry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana.

➡️Tsiahivina fa ny Fitaliavam-paritry ETFP Analamanga no mikarakara ny hetsika eo ambany fiahian’ny Faritra Analamanga.

🤝🏼Nohon’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministera Fahasalamam-bahoaka dia nisy ny fanaovam-baksiny maimaim-poana ho an’ireo 18 taona no mihoatra.

« Olo mahay raha, tsy very mandeha »
©️SCOM METFP/ Novembre 2021

Olo-mahay raha, tsy very mandeha

Adresses

Formation FPQ/AMB

Copyright © 2021 – Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle