👉Tontosa ny 06 janoary 2023 tetsy Antanimena ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, tamin’ny alalan-dRamatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella sy ny Filoha Nasionalin’ny AFF, izay notronin-dRamatoa Haingo RAVATOMANGA, Filoham-boninahitry ny Andry sy Fototra ho an’ny Fampandrosoana (AFF).
🎯Natao indrindra izao fiaraha-miasa izao noho ny fampiharana ny Velirano faha 4 napetraky ny Filoham-pirenena amin’ny alalan’ny fanomezana fanofanana ireo vondron’olona marefo sy zatovovavy. Maro araka izany ny sampam-piofanana hita eo anivon’ny ivon-toeram-panofanana AFF toy ny zaitra, ny informatika, fanamboarana mofomamy, ny rafitra hazo, ny fanjonoana, ny fianarana ny teny frantsay sy anglisy sy ny maro hafa.
✅Araka izany dia hanampy ny Ivon-toeram-panofanana AFF ny Ministera amin’ny fahazoana ny fankatoavana amin’ny fanofanana sy ny famolavolana ireo lasi-panofanana (référentiels de formation) hifanaraka amin’ny takian’ny tsenan’ny asa. Ankoatra izay dia nohamafisin-dRamatoa Ministra ihany koa ny fisian’ny fankatoavana ny fahaiza-manao (Validation des Acquis de l’Expériences-VAE) izay natao ho an’ireo efa am-perinasa ka maniry ny hisitraka diplaoma.
🔝Tanjona araka izany ny hisitrahan’ireo vondrona voafantina amin’ny fanofanana sahaza azy mba hahazoany asa mendrika sy velon-tena.
Raha tsiahivina dia ny taona 2019 no nisokatra ny Ivon-toeram-panofanana AFF ary efa maherin’ny 481 ny mpiofana nivoaka tao.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ janoary 2023