Toy ny mahazatra isaky ny asabotsy fahatelon’ny volana dia nandray anjara tamin’ny Tagnamaro ny fitaleavam-paritry ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa faritra Menabe.
LTP Mahabo: fanatsarana sy fandokoana ny tranom-pivoahana, fanadiovana ny toeram-pianarana. Niara nisalahy tamin’izany ihany koa ireo mpiara-miasa avo amin’ny DRETFP Menabe sy ny LTP Morondava izay notarihin’Andriamatoa Talem-paritra.
LTP Miandrivazo: fanadiovana ny faritry ny sekoly, fandokoana ny efitranon-tsekoly
LTP Belo sur Tsiribihina: fanamboarana ny varavarakely sy ireo rindrina izay simba.
Anisan’ny tombony lehibe amin’ny Tagnamaro ny fikolokoloana ny fotodrafitrasa, izay mampitombo ny fahazotoan’ireo mpianatra manovo fahalalana ao anatin’ny tontolo madio sy voajary.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”