“Hitambatra isika ho an’ny Zo sy ny Hoavin’ny Zatovo vavy ao anaty fiarahamonina tsy misy fanavankavahana”
🆕🆕Ny zoma faha 14 oktobra 2022 tao amin’ny Centre National de Formation Professionnelle pour les Personnes en Situation de Handicap (CNFPPSH) Ampandrianomby no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zatovo vavy.
✅✅Tonga nanome voninahitra ny lanonana Ramatoa VAVITSARA Rahantanirina Gabriella, Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa notronin’ireo solontena avy amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana sosialy, ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny solontena avy amin’ny UNFPA ary ny solontena avy amin’ny Fianakaviana Sambatra (FISA).
🎯🎯Ny lohahevitra nosafidiana tamin’ity fankalazana ity dia ny hoe “Hitambatra isika ho an’ny Zo sy ny Hoavin’ny Zatovo vavy ao anaty fiarahamonina tsy misy fanavankavahana”. Ho an’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa manokana dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampiharana ny Velirano faha 4 sy faha 6 ny fisitrahan’ny tsirairay fiofanana sy fahazoana asa mendrika lavitry ny fanilikilihana.
Nisy avy hatrany moa ny fizahana ara-pahasalamana natao ho an’ireo vehivavy sy zatovo vavy tetsy amin’ny CNFPPSH nandritra io fotoana io.
Nitohy tamin’ny fitsidihana ny ivon-toerana fandraisana an-tanana ireo iharan’ny herisetra ny lanonam-pankalazana androany.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”
©️ CELCOM METFP/ octobre 2022