Le domaine de l’énergie solaire est une source d’opportunités d’emploi essentielle pour la jeunesse malagasy. Cependant, il est impératif de mettre l’accent sur la formation des jeunes afin qu’ils acquièrent les compétences techniques nécessaires à la croissance soutenue de ce secteur.
Le Ministère de l’Enseignement Technique et de la Formation Professionnelle a identifié la formation dans le domaine des énergies renouvelables, en particulier dans le domaine de l’électricité solaire, comme une priorité stratégique. Le METFP se réjouit de l’intérêt grandissant des Partenaires Techniques et Financiers qui manifestent leur volonté de le soutenir dans cette démarche. Des référentiels de formation ont déjà été élaborés, et des initiatives visant à soutenir les lycées techniques sont actuellement en cours de mise en œuvre.
Afin d’assurer une progression cohérente et complémentaire, ainsi qu’une coordination efficace entre les partenaires et la participation active de tous les acteurs impliqués dans la mise en place de la formation sur l’énergie solaire, une réunion de coordination a été tenue le mercredi 22 novembre 2023 à Ampefiloha. Cette réunion a permis de présenter les attentes du Ministère et d’informer les parties prenantes sur les initiatives des Partenaires Techniques et Financiers en matière de formation professionnelle dans le secteur des énergies renouvelables.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novembre 2023
Fandrindrana sy fiaraha-miasa : fampandrosoana ny fiofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro
Ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro dia loharanon’asa ho an’ny tanora malagasy. Ilaina araka izany ny mifantoka amin’ny fanofanana mba hahazoana ny fahaiza-manao ara-teknika haha matihanina amin’ity sehatra ity.
Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina, indrindra ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro.
Ny METFP dia mankasitraka ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola izay maneho ny fahavononany sy ny fanohanany amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa ity.
Efa natomboka ny famolavolana ny lasim-panofanana momba ny fampiofanana eo amin’ny sehatry ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, misy ihany koa ny hetsika natao hanohanana ireo lycée teknika.
Mba hisian’ny fandrindrana mahomby eo amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny fanofanana momba ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro, dia nisy ny fivoriana mahakasika izany ny alarobia 22 novambra 2023 tao Ampefiloha.
Io fihaonana io no nahafahana naneho ny hetahetan’ny Minisitera sy ny nampahafantatra ny mpiara-miombon’antoka amin’ny fandraisan’izy ireo andraikitra ho amin’ny fanofanana matihanina eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina.
“Olo mahay raha tsy very mandeha”
© CELCOM METFP/ novambra 2023