▶️▶️Ny Alatsinainy faha 10 oktobra 2022 dia nanohy ny fitsidihana ivon-toeram-panofanana sy lysea teknika ao Mahajanga Ramatoa Ministra VAVITSARA Rahantanirina Gabriella notronin’ireo delegasiona nanara-dia azy. Ny Centre Régional de Formation Professionnelle des Personnes Vulnérables (CRFPPV), ny Centre de Formation Professionnelle pour les Femmes (CFPF), ny Centre de Formation Professionnelle Charpenterie de Marine ary ny lisea teknika eto Mahajanga no nojereny nandritra izany.
✅✅Hita taratra ny ezaka ataon’ireo mpampiofana mba hanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. كيف تربح المال من الانترنت مجاناً Tsikaritra ihany koa ny olana eo amin’ny tsy fahampian’ny fitaovana ao amin’ireo toeram-mpampianarana sy fanofanana ireo ka zary sakana tsy hahafahan’ny tanora manao fampiharana avy hatrany izany. لعب القمار على الانترنت
🎯🎯Nanambara ny Ministra ary mbola nanantitrantitra fa ilaina foana ny fikolokoloana ireo fitaovana mba haharitra, ilaina ihany koa ny fahadiovan’ny toeram-pianarana sy fiofanana, mba hahafahana miaina anaty tontolo madio sy milamina.
« Olo mahay raha tsy very mandeha »
©️ CELCOM METFP/ Octobre 2022