Ho tohin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny vondrona Alpha Ciment, nosoniavina tamin’ny faha 16 aprily 2024, dia notontosaina tao amin’ny CFP Antsirabe ny faha 22 may 2024 ny fankatoavana (validation) ny lasi-panofanana (référentiel) novolavolaina niaraka tamin’ny vondrona Alpha Ciment.
Notohizana tamin’ny fampiofanana ny mpampiofana miisa 14 amin’ny famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny simenitra izany, niarahana tamin’ny Alpha Ciment hatrany. Naharitra roa andro, ary nofaranana androany zoma faha 24 may 2024 ny fiofanana izay nahitana ny fandraisana anjara mavitrika ny sehatra miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana (METFP, Alpha Ciment, DRETFP Vakinankaratra, mpampiofanana, Tek Futura ary ireo “Ateliers de fabrication métallique” toy ny ACX, ACAMECA, SAHY CONCEPT, ANTOINE).
Araka ny voafaritry ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny Alpha Ciment sy ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa dia hanomboka amin’ny alatsinainy faha 27 may 2024 izao ny fanofanana faobe handraisan’ny tanora miisa 150 anjara, mikasika famokarana akora mifototra amin’ny simenitra ary ny simenitra ary ny fanofanana amin’ny fanamboarana ireo “machines manuelles multifonctions”. Tsy hifarana izany raha tsy ny faha 21 jona 2024.
Toy izao manaraka izao ny programa amin’izany : Mikasika ny BTP (Production de matériaux à base de Ciment) dia hatao any Tritriva sy Andranomanelatra.Mikasika ny Machine (Fabrication de machine manuelle multifonction) dia hatao ao amin’ny LTI KAMAFA Vatofotsy.
“Ny olo-mahay raha tsy very mandeha”
METFP
DRETFP VAKINANKARATRA
ALPHA CIMENT