Tao aorian’ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany teo anivon’ny ny lisea teknika ny herinandro lasa teo dia nanokatra amin’ny fomba ofisialy ny fanadinana Brevet d’Etudes Professionnelles (BEP) sy Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA) ny Tale misahana ny Fanadinana eto amin’ny Ministeran’ny ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa, tao amin’ny LTPGC Mahamasina ny Alatsinainy 01 jolay 2024.
Raha ho amin’ity taom-panadinana ity dia mahatratra 10 625 ireo mpiadina manerana ny nosy izay mitsinjara amina foibe-panadinana miisa 89, ka sehatr’asa 30 no hanatanterahana izany fanadinana izany.
Mifanindran-dalana amin’ny BEP koa ny Certificat de Fin d’Apprentissage (CFA) izay ahitana mpiadina 244 ka mitsinjara amina foibe-panadinana 10 manerana an’i Madagasikara, ary sehatr’asa 4 no hanaovana ny fanadinana.
Haharitra hatramin’ny faha 04 jolay 2024 ny BEP raha toa ka hatramin’ny faha 03 jolay 2024 ny CFA.
Nanentana hatrany ireo mpiadina ny tompon’andraikitra mba ho tony sy hifantoka tsara eo am-piatrehana ny fanadinana.
Ho amin’ny andro voalohany dia foibe-panadinana efatra (LTPGC Mahamasina, Sainte Famille ary LTP Ampasampito sy CFP Ampasampito, izay hany foibe-panadinana manao ny sampam-panofanana “Imprimerie”) no notsidihan’ny tompon’andraikitra.
“Olo mahay raha, tsy very mandeha”